Isaia 5:28-30 Malagasy Bible (MG1865)

28. Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;

29. Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.

30. Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.

Isaia 5