7. Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8. Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
9. Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
10. Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
11. Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
12. Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
13. Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
14. Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin'ny ranonorana izany;
15. Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
16. Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!