Isaia 35:6-8 Malagasy Bible (MG1865)

6. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.

7. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.

8. Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.

Isaia 35