1. Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
2. Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy SarĂ´na, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
3. Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4. Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
5. Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
6. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
7. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.