Isaia 34:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.

2. Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.

3. Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.

4. Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.

5. Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.

6. Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.

7. Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.

8. Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.

Isaia 34