Isaia 33:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao.

7. Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.

8. Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.

9. Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.

10. Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.

11. Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.

12. Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy.

13. Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.

14. Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay?

Isaia 33