5. Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
6. Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao.
7. Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8. Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
9. Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
10. Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.