13. Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
14. Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay?
15. Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16. Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
17. Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18. Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
19. Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
20. Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21. Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe.
22. Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23. Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
24. Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.