Isaia 31:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Tahaka ny vorona manomba no hiarovan'i Jehovah, tompon'ny maro, an'i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.

6. Koa miverena ho amin'izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak'Isiraely รด.

7. Fa amin'izany andro izany dia harian'ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon'ny tananareo.

8. Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,

9. Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.

Isaia 31