3. Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
4. Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.
5. Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
6. Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7. Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.