8. Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.
9. Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
10. Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.
11. Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
12. Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
13. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
14. Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15. Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.