Isaia 26:19-21 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.

20. Mandehana, ry oloko, midìra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.

21. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Isaia 26