Isaia 26:10-17 Malagasy Bible (MG1865)

10. Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.

11. Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny  fahasaro-piaronao amin'ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.

12. Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.

13. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

14. Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.

15. Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.

16. Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.

17. Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,

Isaia 26