Isaia 24:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;

8. Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;

9. Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;

10. Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;

11. Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.

12. Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanĂ na, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,

13. Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.

14. Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:

15. MankalazĂ  an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.

16. Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.

17. Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.

Isaia 24