Isaia 24:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,

13. Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.

14. Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:

15. Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.

16. Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.

17. Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.

Isaia 24