Isaia 20:4-6 Malagasy Bible (MG1865)

4. dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta.

5. Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.

6. Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?

Isaia 20