Isaia 2:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

11. Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.

12. Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,

13. Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana

14. Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina

Isaia 2