Isaia 16:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.

2. Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.

3. Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!

4. Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.

Isaia 16