Isaia 15:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.

4. Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.

5. Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.

6. Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.

7. Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.

8. Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.

9. Fa ny ranon'i Dimona dia feno rĂ ; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.

Isaia 15