Isaia 14:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany

2. Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.

3. Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,

4. dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!

5. Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,

6. Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.

7. Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,

8. Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.

9. Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.

10. Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!

11. Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.

12. Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.

13. Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;

14. Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;

15. Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.

16. Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana

17. Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?

Isaia 14