Hosea 9:15-17 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.

16. Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.

17. Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.

Hosea 9