12. Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
13. Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14. Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
15. Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16. Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17. Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18. Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
19. Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.