5. Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
6. Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
7. Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
8. Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.