Hosea 14:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

2. Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.

3. Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.

4. Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.

Hosea 14