Hosea 13:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

5. Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta.

6. Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.

7. Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.

8. Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.

9. Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.

10. Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?

11. Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.

Hosea 13