Hosea 13:11-15 Malagasy Bible (MG1865)

11. Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.

12. Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany.

13. Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.

14. Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.

15. Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.

Hosea 13