6. Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7. Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
8. Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9. Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.