Hebreo 4:3-11 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.

4. Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).

5. Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11).

6. Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,

7. dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)

8. Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.

9. Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.

10. Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.

11. Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.

Hebreo 4