1. Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
2. Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra.
3. Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4. Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
5. Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
6. fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.