Hebreo 12:19-23 Malagasy Bible (MG1865)

19. sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;

20. fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),

21. ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo. 9.19).

22. Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanĂ nan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,

23. amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka,

Hebreo 12