Hebreo 10:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.

5. Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;

6. Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;

7. Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).

8. Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",

9. dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.

10. Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.

Hebreo 10