Hebreo 10:24-34 Malagasy Bible (MG1865)

24. ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;

25. aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

26. Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,

27. fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.

28. Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;

29. manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?

30. Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).

31. Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.

32. Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;

33. indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.

34. Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.

Hebreo 10