Hebreo 10:12-26 Malagasy Bible (MG1865)

12. fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra,

13. ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.

14. Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.

15. Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:

16. "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"

17. dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34).

18. Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.

19. Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,

20. amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony,

21. sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,

22. dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio;

23. aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);

24. ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;

25. aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

26. Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,

Hebreo 10