Habakoka 3:8-14 Malagasy Bible (MG1865)

8. Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?

9. Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.

10. Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.

11. Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.

12. Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.

13. Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [sela]

14. Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.

Habakoka 3