3. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4. Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra .
5. Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
7. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8. Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.