Genesisy 7:21-24 Malagasy Bible (MG1865)

21. Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

22. Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa.

23. Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona.

24. Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.

Genesisy 7