Genesisy 7:18-21 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara.

19. Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra.

20. Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.

21. Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra.

Genesisy 7