Genesisy 50:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.

2. Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.

3. Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.

Genesisy 50