Genesisy 5:25-32 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.

26. Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

27. Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

28. Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;

29. ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.

30. Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

31. Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.

32. Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.

Genesisy 5