14. Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
15. Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
16. Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
17. Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.