Genesisy 5:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;

11. Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.

12. Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.

13. Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

14. Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

15. Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.

Genesisy 5