7. Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
8. Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9. Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
10. Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.