Genesisy 49:13-23 Malagasy Bible (MG1865)

13. ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.

14. ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;

15. Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.

16. DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.

17. Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.

18. Ny famonjenao no andrasako, Jehovah รด!

19. GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.

20. ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.

21. NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.

22. JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.

23. Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;

Genesisy 49