Genesisy 48:15-19 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,

16. ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.

17. Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase,

18. ka hoy Josefa tamin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tananao ankavanana.

19. Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.

Genesisy 48