6. Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7. ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8. Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
9. Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10. Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita.