26. Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27. Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28. Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29. Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
30. Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
31. Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.