1. Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
2. Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3. Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4. Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
5. Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
6. Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7. ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8. Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :