Genesisy 45:8-11 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.

9. Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;

10. dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.

11. Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.

Genesisy 45