Genesisy 44:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.

3. Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.

4. Ary rehefa tafavoaka ny tanĂ na izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?

5. Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.

6. Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.

Genesisy 44