Genesisy 43:3-18 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.

4. Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;

5. fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.

6. Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?

7. Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

8. Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

9. Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;

10. fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.

11. Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;

12. ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.

13. Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;

14. ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.

15. Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.

16. Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.

17. Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo.

18. Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.

Genesisy 43